Fiatrehana ny loza voajanahary : Firenena efatra maka traikefa eto Madagasikara

Notanterahina teny Ivandry, omaly, ny atrikasa fifanakalozana traikefa miaraka amin’ny firenena efatra ahitana an’i Zambie, Malawi, Burundi, Seychelles ary isika mpampiantrano amin’ny alalan’ny BNGRC

Hizara traikefa momba ny fitantanana ny «Pro­gram­me repair» iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, ny mpivory. Drafitra iray hoentina miatrika ny loza voajanahary izany, izay misy famatsiam-bola. «Miantefa amin’ny eny ifotony, eny amin’ ny kaominina sy ny faritra, na collectivité territoriale décentralisé ny fa­matsiana entina miatrika ny loza voajanahary», araka ny fa­na­zavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanan­tsoa Gabriel.
Nosafidian’ny Banky iraisam-pirenena manokana isika eto Madagasikara handray ny fivoriana satria azo lazaina fa mizotra tsara io fandaharanasa Repair io eto amintsika. Manana ny Tahiry nasionaly ho an’ny voina i Madagasikara. Nampidirina ao anatin’izany ny Repair. Ao ny minisitera rehetra mpisitraka no manao ny fangatahana rehefa misy ny filana fa ny kaominina sy ny faritra no misitraka ny ampahany betsaka, izay entina hiatrehana ny loza voajanahary. Maka traikefa amin’ny fampiasana ny fandaharanasa Repair eto amintsika ireo firenena efatra voalaza.
Momba ny fiatrehana ny taom-pahavaratra 2026-2027, miatrika fivoriana koa, omaly, ny mpiantsehatra rehetra, ahitana ny mpiray ombon’antoka teknika sy ara-bola, ireo ONG mpisehatra ary ny minisitera rehetra voakasika hamaritra ny andraikitry ny tsirairay.
Hamoaka fehin-kevitra momba ny fiomanana amin’ny fihatrehana ny El Nino sy ny fotoam-pahavaratra izy ireo aorian’ny fivoriana. Efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny faran’ny herinandro teo, ny « Plan de réponse humanitaire » 2026 2027, hiatrehana ny El Nino sy ny fotoam-pahavaratra. “Mbola hanokana fotoana hanao fanazavana ny BNGRC momba ny El Nino sy ny fiantraikany ary ny fiomanana ho an’ny daholobe”, hoy ihany ny tale jeneralin’ny BNGRC.

Vonjy .

Partager sur: