Vatsin’ankohonana sy Fiavota ao Vohipeno: 3 000 ireo mpisitraka lasa mpandray andraikitra

Fanamafisana ny fidiram-bola sy ny faharetan’ireo anko­­honana marefo ao Vohipeno ny tetikasan’ny fanjakana Vatsin’ankohonana, izay arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary tanterahin’ny Fid, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola.
Mikendry ny hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, hampitombo ny fidiram-bola ary hanamafy ny fahafahan’ireo ankohonana miatrika ireo loza sy krizy mety hitranga ny tetikasa.
Natao hanampiana ireo ankohonana tena marefo, indrindra ireo sahirana ara-tsakafo sy ara-toekarena ary ireo mora iharan’ny loza voajanahary izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ara-bola sy ny fanomezana fahafahana ho an’ireo mpisitraka hanangana asa sy loharanom-bola maharitra.
Ao amin’ny distrikan’i Vohipeno, faritra Fitovinany, efa mipaka any amin’ny kaominina 4 (Vohindava, Tanana­bo, Ifatsy, Lanivoa), misy fo­kontany 26, ny hetsika. Ma­nodidina ny 3 000 ny tokantrano mpisitraka lasa mandray andraikitra.
Ankoatra ny fanohanana ara-bola, mifantoka amin’ny fampitomboana ny fahaleovantenan’ireo mpisitraka ihany koa ny fandaharanasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahaiza-manao, ny fanofanana momba ny fiarovana ara-tsakafo sy ny momba ny fitantanana ny fananany ary ny fanohanana ireo hetsika ara-toekarena.

Tatiana A

Partager sur: