Andrianirina Fetison ; « Fiandohan’ny fanovana ny 25 septambra »

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison.

«Tsy krizy iray hafa fotsiny ny 25 septambra 2025 fa tena fiandohan’ny fanovana maharitra », hoy izy. Nam­barany fa tsy tokony ho fiovan’ny mpitondra fotsiny izany. Tokony hiafara amin’ny fitondrana tan-dalàna matanjaka kokoa ny 25 septambra. Eo koa ny andrim-pitondrana hajaina sy miasa, fitantanana mahomby sy mangarahara, fitsarana azo itokisana, fifidianana eken’ny rehetra, faritra afaka mamokatra ary toekarena mifototra amin’ny famoronana harena sy asa, hoy izy. Niaiky izy fa nanokatra varavarana ho amin’ny fanovana iny daty iny. « Mbola tsy afaka milaza anefa isika fa efa nahatratra ny fanovana maharitra. Tsy ny olana momba ny rano sy ny jiro ihany izany », hoy izy. Eo koa ny fahaverezan’ny fitokisan’ny olona amin’ny fomba itantanana ny fitondrana. Nipoitra teo ny fahasosorana an-taona maro noho ny fahasahiranana ara-tsosialy, olan’ny asa sy ny fahafahana, ny kolikoly ary ny fahatsapana fa tsy mitovy ny fampiharana ny lalàna.
Nambarany fa nisy ezaka. Eo ny famatsian-drano, ny fanatsarana miandalana ny fiainam-bahoaka, ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly, ny fifampidinihana amin’ny tanora sy ny vahoaka, ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha ary ny finiavana hampiroborobo ny famokarana sy ny fampandrosoana ny faritra.

Tsy mbola ampy ny vokatra azo

Nanteriny anefa fa mbola tsy ampy ny vokatra azo. « Tsy mbola voavaha ireo olana nahatonga ny krizy. Tsy tokony hifarana amin’ny fanambarana, drafitra na fifampidinihana ny fanavaozana. Tsy maintsy hita eo amin’ny fiainan’ny mponina sy eo amin’ny fomba fiasan’ny fanjakana ny vokany », hoy izy. Natsidiny ho dingana manaraka fanatanterahana ho asa mivaingana ireo efa nokasaina sy natomboka.

Anisan’ny dingana ho amin’­ny fanavaozana maharitra ny fitondrana tan-dalàna sy ny fitantanana tsara. Mety hiverina ireo krizy raha mitovy amin’ny taloha ihany ny fomba fampiharana ny lalàna na miankina amin’ny olona ny rafitra ary raha tsy mangarahara sy tsy azo arahi-maso ny fitantanana, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: