Antenimierampirenena : Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana

Araka ny didim-panjakana 2026-2155, hivory tsy ara-potoana ny Antenimieram­pirenena hanomboka anio, eny Tsimbazaza. Miisa 17 ireo volavolan-dalàna hodinihina. Anisan’izany, ohatra, ny volavolan-dalàna 002/2026 tamin’ ny 15 janoary 2026, anaovana ny sata fiarovana ny fizaka-manana ara-indostrialy eto Madagasikara. Eo koa ny volavolan-dalàna 018/2026 tamin’ny 2 jona 2026, anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanitarana ny faritr’i Mangoky Ambany, Dingana II (PEPBM II), vita sonia ny 6 mey 2026, teo amin’­ny Repoblikan’i Madaga­sikara sy ny Facilité d’appui à la transition. Toy izany koa ny volavolan-dalàna 019/2026 tamin’ny 2 jona 2026, anaovana didy amam-pitsipika mom­ba ireo asa mifandray amin’ny lalao ara-bola sy ireo orin-draharaha misehatra amin’ny lalao. Eo ny volavolan-dalàna 028/2026 tamin’ny 10 jona 2026, anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiam-bola ny tetikasa fahaiza-manaon’ny tanora ho amin’ny fanovana ara-toekarena sy ny asa eto Madagasi­kara (MYSET), vita sonia ny 30 aprily 2026, teo amin’ny Repoblikan’i Madaga­sikara sy ny Banky iraisam-pirenena. Eo koa ny volavolan-dalàna 036/2026 tamin’ny 17 jona 2026, anomezan-dalana ny fankatoavana ny Fifanarahana findramam-bola momba ny famatsiam-bola ny tetikasa tantsoroka ho an’ny fitsarana eto Madagasikara (Pajma II), teo amin’ny Repoblikan’i Madaga­sikara sy ny vondron’ny Masoivoho frantsay ho fampandrosoana (AFD).
Fantatra fa haharitra 12 andro izao fivoriana tsy ara-potoana izao, izay hifarana avy hatrany raha vao vita ny fandinihana ireo lahadinika.

R. Nd.

Partager sur: