FANTINA sy FINTINA

Efa miomana amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy Afrika ny Rosianina. Nitsidika ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia, Alexei Buriak. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta sy ny fiaraha-miasan’i Rosia amin’ireo firenena afrikanina.
Miangavy mafy ny mpitondra sy ny rehetra ny Pr Ratsimbazafy Jonah. « Ataovy tena laharam-pahamehana ny fampidirana ny Civisme sy Ethique na foto-pahavanonana any amin’ny ambaratongam-pampianarana rehetra mihitsy.  Hidona amin’ny rindrina foana isika. Efa lasa fomba fanao mahazatra eto ny gaboraraka », hoy izy.

Partager sur: