Mbola mahazo vahana eto amintsika ny hevi-draikitra mivoy fa vokatry ny ozona ary aretina mahamenatra ny toe-tena autisme sy ny fahasamihafan’ny fiasan’ny atidoha.
Vokany, voahilikilika matetika ny fianakaviana manana ankohonana autiste nefa endrika hisehoan’ny fahasamihafana amin’ny samy olombelona ihany ireo. Izay no nitarika ny fikambanana Mouvement pour la différence hanao antso amin’ny tokony hisitrahan’ny ankizy ahitana fikorontanana eo amin’ny fivoaran’ny atidoha (TND) fandraisana an-tanana mialoha. Vitsy ny mpitsabo manam-pahaizana voaofana momba ny fahasamihafan’ny fiasan’ny atidoha eto Madagasikara. Mampananosarotra ny fitsaboana izany. Ilaina anefa ny torohevitra sy ny toromariky ny manam-pahaizana hanampiana ny fianakaviana hisafidy ny fomba mahomby amin’ny fikarakarana manomboka dieny mbola kely.
Tsy fitsirihana ara-pahasalamana fotsiny ny fitiliana ny fahasamihafana sy ny fikorontanana eo amin’ny atidohan’ ny zaza fa antoka amin’ny fivelarany mandritra ny androm-piainany. Raha voatily mialoha izany, misy ny tohana mifanaraka amin’ny filana manokana azo atao mba ho afaka hianatra toy ny ankizy rehetra ilay zaza, raha ny fanazavana.
Mila fiomanana koa anefa ny any an-dakilasy handray ilay zaza, indrindra amin’ny fanekena ny fahasamihafana. Tokony hoentanina ny mpanabe sy ny mpianatra momba ny zaza autiste na manana fahasembanana ka hipetraka miandalana ny fahavononana hifankahazo ao an-tsekoly. Tsy hahatsiaro ho voahilikilika ilay zaza mandritra ny fotoana rehetra hijanonany any am-pianarana.
Zava-dehibe, noho izany, ny fametrahana tambajotra nasionaly ahafahan’ny rehetra misitraka fitiliana mialoha sy fandraisana an-tanana araka ny paikadin’ny M4D ho an’ny taona 2026-2029. Mila miara-misalahy ny rehetra ahitana ny rafi-panjakana, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny mpanabe ary ny mpiray ombon’antoka hanatratra ny tanjona.
Vonjy




