Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, afakomaly, ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA), Mohamed Idriss Farah sy ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU).
Nifantoka tamin’ny toe-draharaham-pirenena ny fihaonana ka anisan’izany ny momba ny fizotry ny dinika fakan-kevitra natao teny Iavoloha, nanomboka ny 1 hatramin’ny 8 septambra teo. Tafiditra amin’ny fanomanana ny zotram-pifidianana hatao eto amintsika izany. Nambaran’ireto solontenan’ny ONU sy ny UA ireto fa zava-dehibe ny fahafantarana ny fivoaran’ny dingana efa natomboka, indrindra ny dinika iarahana amin’ireo sehatra samihafa eto amin’ny firenena.
Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika tamin’izy ireo ny fizotry ny toe-draharaha amin’izao fotoana sy ireo hevitra nivoitra nandritra ny dinika natao. « Mikendry ny hahafahan’ny Malagasy maneho ny heviny sy mandray anjara amin’ny fanomanana ny hoavin’ny firenena ny dingana rehetra », hoy izy.
Nisongadina tamin’izao fihaonana izao ny fifampizarana vaovao sy ny fahazoana fahatakarana iombonana momba ny fizotran’ny raharaham-pirenena. Midika izany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha eto sy ny fizotry ny fanavaozana ary koa ny fanomanana ny fifidianana ireo rafitra roa lehibe ireo.
Tsiahivina fa halefa any amin’ny Ceni, hifampidinihana amin’ireo mpisehatra rehetra ny hevitra noraisina teny Iavoloha.
Synèse R.




