Nanomboka omaly ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ity filohana Andrimpanjakana ity ny sosialim-bahoaka.
“Mitaona ny fahefana mpanatanteraka izahay hanafaingana ny famatsian-jiro sy rano, ny fampidinana ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana ary ny ady amin’ny kolikoly “. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, taorian’ny nitanisany ireo asa vitan’ny fitondrana Fanavaozana amin’ny famatsian-jiro sy angovo ary ny sehatry ny fahasalamana. Ny tena fandrefesana ny fahombiazana dia ny fiovana tsapan’ny vahoaka isan’andro.
Eo amin’ny fanomanana ny fifidianana, efa hita ny fahavononan’ny fitondrana Fanavaozana hiroso amin’ny famerenana ny fahefana any amin’ny vahoaka malagasy. Porofon’izany ny dinika fakan-kevitra hanomanana ny fifidianana. Inoana sy antenaina fa tsy ho very maina ireo sosokevitra rehetra fa hitondra fanatsarana kokoa eo amin’ny hiatrehana ny fifidianana. Anisan’ ny fototra sy antoka lehibe amin’ny fifidianana eken’ny rehetra ny fanavaozana ny lisi-pifidianana feno sy madio. Noho izany, manamafy ny antso amin’ny Ceni izy mba hangarahara ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Takina ny hanaovana petadrindrina izany ho azon’ny rehetra jerena eny amin’ny fokontany mialoha ny famaranana.
Fikaonandoham-pirenena
Zava-dehibe ny fahombiazan’ny fikaonandoham-pirenena, hanome hasina ny fiandrianam-pirenena ary hanaporofo amin’izao tontolo izao ny fahaizan’ny samy Malagasy mandamina ny raharaham-pirenena tsy mila tery ivelany izany. Miantso ny Malagasy rehetra handray anjara sy hitondra ny heviny amin’ny fikaonandoham-pirenena koa izy.
“Tsy vitan’ny fitondrana irery ny fanavaozana, mitaky fandraisana andraikitra sy anjaran’ny rehetra izany. Tokony hanomboka amin’ny fanavaozana toe-tsaina sy ny toe-panahin’ny tsirairay”, hoy izy.
R. Nd.




