New York : Manohana an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny Fanavaozana ny ONU

Taorian’ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny polipitran’ny Firenena mikambana (ONU) tao anatin’ny fivoriambe faha-81, tany New York, Etazonia, afakomaly, nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny ONU, i Antonio Guterres, izy.

Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny Fanavaozana ity farany. Nambarany tao amin’ny Radio des Nations Unies koa fa vonona hanampy amin’ny fanamafisana izany sy ny fampandrosoana ara-demokratika ny ONU. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fifampiresahana hanohizana ny ezaka fanavaozana. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny ONU ny fanamafisana ny demokrasia sy ny fitoniana ary ny fampandrosoana maharitra.
Nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana tamin’ny lahateniny, tamin’ny teny malagasy kosa, fa mbola mitoetra ireo fanamby efa am-polo taona: tsy fahampian-tsakafo, aretina samihafa, ady, loza voajanahary. Ho an’i Madagasikara, toy ireo firenen-kafa, tsy manakana ireo laharam-pahamehana tokony hatrehina ireo fanamby vaovao. Ireo mponina marefo iharan’ny krizy ara-pahasalamana, ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hanoanana, ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, sns no tena sahirana amin’ny fitondrana vahaolana iombonana amin’ireo loza mitatao ankehitriny.
Manome lanja ny diplaomasia mivelatra amin’ny rehetra i Madagasikara, misokatra amin’izay mety mamaly ny hetahetan’ny vahoakany. Ao anatin’ny fandalana fandriampahalemana sy fifandraisana mirindra amin’ny fiarahamonina iraisam-pirenena, mijanona ho tsy momba ny atsy na ny aroa izy. Tsy mifototra amin’ny foto-kevitra na firehana politika na stratejika manokana izany. Miandrandra fifandraisana sy fiaraha-miasa miorina amin’ny fifampitokisana amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra i Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: