Secam – Miantso ny fitondrana handray andraikitra : “Misy misandoka ny asan’ny sekoly mampianatra mamily fiara”

Nanao antso ho an’ny fitondrana sy ny prestataire misahana ny fanomezana ny permis biometrique ny fikambanan’ny ivontoerana fampianarana mamily fiarakodia manerana ny Nosy. Olana roa momba ny fahelan’ny fanomezana ilay permis biometrique sy ny fisandohana ny asan’ny autoécole no fototry ny antso.

Manao antso amin’ny fitondram-panjakana ny fikambanan’ny ivon­­toerana fampianarana mamily fiara sy moto eto Madagasikara fa misy olona misoloky ny asan’izy ireo. « Conduite accompagnée  no anarana iantsoan’ny mpisandoka ny tolotra fampianarana mamily fiara ataony eny amin’ny tambajotra sosialy nefa sady tsy mampiasa fiara à double pédales izy ireo no tsy manana sekoly mijoro ara-dalàna», hoy ny filohan’ny Sendikan’ny autoécole eto Antananarivo (Secam), An­driambololona Lalanirina, ny faran’ny herinandro teo, teny Tsaralalàna. Misy dingana maro arahina raha hanangana ivontoerana fampianarana mamily fiarakodia sy moto. Mila manana ny Carte d’aptitude professionnelle pédagogique (Capp) mandritra ny 10 taona ny olona iray vao afaka manokatra izany. Ankehitriny anefa, mirongatra ny fisandohana ho mpampianatra ma­mily fiarakodia sy mitondra moto eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa namoaka fampahafantarana ny minisiteran’ny Fitaterana, ny 16 jona 2024, fa tsy misy afaka mampianatra mitondra fiara afa-tsy ny autoécole mijoro ara-dalàna nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny tomponandraikitra mahefa irery ihany. Handray fepetra ny Secam raha mbola minia manohy ny asany ireo milaza fa mampianatra mitondra fiara amin’ny alalan’ny « con­duite accompagnée ».
Herintaona no ho mihoatra

Olana faharoa natsidiky ny fikambanan’ny ivontoerana mampianatra mamily fiara sy moto koa ny fahataran’ny famoahana ny « permis biométrique » izay maharitra he­rintaona na mihoatra. « Vo­katr’izay zava-misy izay, nihena be ny isan’ny olona mianatra mamily fiarakodia satria ela loatra vao mivoaka ilay permis biométrique. Efa misy ny fanomezana ny permis provisoire fa mila havaozina isaky ny telo volana izany », hoy ny filohan’ny autoécole manerana ny Nosy, Rajaonarison Noroni­rina. Avereno ilay permis baoritra mavokely tany aloha rehefa tsy araka ny fanomezana ilay biométrique.

Vonjy

Partager sur: