FANTINA sy FINTINA

Tsy mijanona eto anivon’ny firenena ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, tetsy Ankorondrano,
afakomaly. Miitatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany ka ao anatiny koa ny heloka ara-bola. Antony niofanan’ireo mpitsara ny lalàna « Common Law » hatramin’ny zoma izao izany.

Ireo mpitarika Tim distrika Avaradrano in­dray no noraisin’ny filoha nasionalin’ny Tim, Rava­lomanana, teny Faravohitra, omaly. Nitarika izany, niaraka amin’ireo solontenan’ny kaominina miisa 16 ny depiote Andriamosa Avotraina. Nomena toromarika amin’ny hamelomana ny rafitra miainga eny ifotony, eny amin’ny fokontany, izy ireo.

Nijery ny fizotry ny asa fisoratana anarana biometrika tany amin’ny kaominina ambanivohitra roa, distrikan’i Faratsiho, ny minisiteran’ny Atitany sy ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena ary ny teti­kasa Decim, herinandro lasa izay. Hita ny fahavononan’ny tomponandraikitra amin’ny fanaovana ny asa sy ny fahavitrihan’ny olona misoratra anarana.

Roa taona nijoroana ny antoko Mouvement Gasikara. Nambaran’ny mpanorina, Gascar Fenosoa, fa tokony hifampitsinjo sy hifamatotra ny mpikambana. « Ilaina ny mifampihaino ahafahana mitondra fanavaozana. Ovaina ny fomba fanaovana politika amin’ny rama­tahora sy ny tsindry », hoy izy. Maherin’ny 300 izao ireo mpikambana vaovao niditra.

Partager sur: