« Tsy ny fisehosehoana ivelany no tokony ho ivon’ny politika fa ny fananana tetikasa mazava sy azo tanterahina ary ny fahafahana manatanteraka izany », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nivoitra izany tamin’ny fifampizarany traikefa sy fahalalana tamin’ireo mpianatry ny Inscae, ny herinandro teo. Nampahafantarany koa ny momba ny politika. Nanteriny fa mila sahy mijoro manao ny marina ny mpitantana ary mandray fanapahan-kevitra mitombina araka ny lalàna ary fantatra fa hitera-bokatsoa. Tsy fanompoana olombelona ny politika fa fanarahana ny vina sy ny lalàna mifehy ny antoko politika, araka ny nambarany. « Mampiara-dia ny mpanao politika sy ny antoko politika ny vina sy fomba fijery iraisana fa tsy resaka tombontsoa manokana. Tokony hanjaka eo anivon’ny fiarahamonina ny marina ka tokony hita taratra amin’ny fanarahan-dalàna izany », hoy ihany izy. Nambarany koa anefa fa tsy tokony ho kivy rehefa mitantana na orinasa na firenena. Mila mitady vahaolana mandrakariva ary tsy ho an’olon-tokana ny fahombiazana fa fiaraha-mientan’ny rehetra.
Eo amin’ny fitantanana ankapobeny kosa, notsindriny ny tokony hitokisana ny manampahaizana malagasy sy ireo tena mpitarika. « Mahavita azy ireo. Zatra tsy mifampatoky isika ka lasa fahazarana ny manaratsy. Zatra maminavina tsy fahombiazana. Anisan’ny olana izany », hoy izy. Niaiky anefa ny tenany fa mamiratra maneran-tany ny Malagasy.
Synèse R.





