Fanamboarana governemanta: saro-toerana ireo minisitra tsy misongadina

Anisan’ny takina tamin’ireo minisitra amin’izao fanavaozana izao ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka, indrindra izay notakina teny an-kianja tamin’ny taon-dasa. Mby aiza?

Efa nanao tatitra ny za­va-bita tao anatin’ny enim-bola nandraisany ny asany ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ahoana kosa ny amin’ireo minisitra? Mandeha ny resaka eo amin’ny tontolo sy fihaonana politika etsy sy eroa mbamin’ny serasera fa eo am-panaovana tombana ny isaky ny departemanta ny Praiminisitra sy ny filohan’ny Fanavaozana amin’izao. Ho tonga hatraiza? Mandindona ny mety hisian’ny fanamboarana fa tsy fanovana governemanta ato ho ato. Misy mahita ka milaza fa mety amin’ity volana ity izany.
Manoloana izany, azo lazaina fa saro-toerana ireo minisitra tsy misongadina amin’ny zava-bita, araka ny tomban’ny mpandinika sasany. Misy, ohatra, minisitra tsy hita tabilao amin’ny asa vita. Ao aza no tsy fantratry ny olom-pirenena tarehy sy anarana. Lazaina hoe miasa mangina? Tsy midina ifotony ny amin’
izay hoe fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka izay? Ao aza no mikoropaka manoloana ny amin’ny mety hisian’ny fanamboarana ny governemanta: izao vao manao serasera totoafo amin’ny fifandraisana amin’ny vahoaka, midina ifotony… Fomba fiady tsy vaovao eo amin’ny fifandraisan’ny tomponandraiki-panjakana izay rehefa saro-toerana na mby amin’ny hoe mamono afo?
Amin’izany rehetra izany, mandeha koa ny resaka na karazana tosika politika fa mety hisokatra amin’ny mpanohitra na olon’ny fitondrana teo aloha ny governemanta vaovao eo, raha hisy sy hatao ihany ny fanamboarana. Izay rahateo no andrasan’ny Sadc, ohatra, raha ny fijerin’ny mpandinika sasany. Gover­nemantan’ny fiaraha-mitantana? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: