Banky Foibe: nandiso ny vaovao tamin’ny Google Finance

Diso ny tarehimarika momba ny sandan’ny Ariary (MGA) tao amin’ny Google Finance raha oharina amin’ny dolara amerikanina (USD), omaly. Voalaza tao anatin’izay fa misanda 2 237,72 Ariary ny dolara iray. Olana ara-teknika teo amin’ny rafitra “Algorithme” no nahatonga ny fahadisoana, raha ny fanazavan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), taorian’ny fifandraisana mivantana tamin’ireo tomponandraikitra. Manoloana izany, manentana ny rehetra ny BFM mba hijery hatrany ny loharanom-baovao ofisialy rehefa mitady ny sandam-bola. Azo hamarinina amin’ny alalan’ireo fitaovan-tserasera ofisialy ampiasain’ny BFM ny tarehimarika marina sy manan-kery. Marihina fa niparitaka sy niteraka resabe ny tarehimarika nivoaka. Tao ireo nilaza fa manomboka mitotongana ny dolara raha marina ilay tarehimarika nivoaka. Nisy ihany koa ireo nikasa hanakalo vola sy nanararaotra izany.

Henintsoa

Partager sur: