Mora ho an’ny mpamboly ny mandray ireo karazana masomboly vaovao rehefa izy ireo ihany no misafidy sy manombana izany. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny Cirad, Fofifa, Fifata ary Ceffel tamin’ny tombana nataony ny volana septambra teo, niaraka tamin’ireo mpamboly avy ao Vakinankaratra. Nifantoka tamin’ny vary, voanjo ary voanjobory ny andrana, ka natao hamantarana ireo karazana mifanaraka amin’ny toetry ny tany sy ny filan’ny mpamokatra. Ho an’ny vary an-tanety, efa manana traikefa betsaka ny mpamboly, taorian’ny taona maro nanaovana andrana sy fifantenana ireo karazam-bary. Nampiofanina hamokatra sy hizara masomboly manara-penitra teny
an-toerana kosa ireo mpamokatra mpamarotra masomboly.
Santatra
Vao manomboka kosa ny fikarohana momba ny voanjo sy voanjobory. Ho fantatra aorian’ny andrana ireo karazany mifanaraka amin’ny filan’ny tantsaha. Tanjon’ny tetikasa “Germplasm Exchange Network and Enhancement of Seed Systems” (Geness) ny hanangana rojo feno, manomboka amin’ny famoronana vaovao ka hatramin’ny famokarana. Kendrena ny hampifandray ny fikarohana, ny fampandrosoana ary ny mpamokatra mba hahazoan’ny tantsaha masomboly tsara kalitao sy mifanaraka amin’ny filàny.
Henintsoa





