Taranja «Pentathlon »: atleta malagasy roa ho any Portugal

Tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja “Pen­tathlon moderne” izay hotanterahina any Portugal, ny 26 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, ireo atleta malagasy roa vavy, Razafim­bahiny Chricyah sy Andria­nantara Fahendrena. Izy mirahavavy ireo izay nisongadina nandritra ny fifaninanana afrikanina natao tany Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Marihina fa nahazo medaly dimy, volamena 1, volafotsy 1, alimo 3, ny Malagasy tamin’izany ary i Chricyah no nahazo ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy U9. Nandrombaka ny volafotsy teo amin’ny U13 kosa i Fahendrena. Namba­ran-dRandriamalala Nathalie, filohan’ny Federation Penta­thlon Moderne Malagasy, afakomaly, tetsy Ivato, fa efa hiatrika sahady ny fanomanana ireto atleta ireto ny rafitra federaly, amin’ny herinandro ho avy io.
“Efa vonona tanteraka ny ankizy hiatrika an’io fifanintsanana iraisam-pirenena io, saingy miankina amin’ny enti-manana ihany ny zavatra re­hetra”, hoy ny filoha Randria­malala Nathalie. Ampaha­fantarina fa ny taranja Penta­thlon moderne izay hikambanan’ireo taranja dimy toy ny lomano, tifitra basy “laser”, “escrime”, hazakazaka ary fitetezana sy fialana sakana “parkour d’obstacles”.

Fitia Randria

Partager sur: