Judo – «Mondiaux sénior»: resy teo amin’ny 1/4-dalana i Laura

Omaly no niakatra “tatami”, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja judo, Rasoanaivo Aina Laura, ho an’ny sokajy “senior”. Fihaonana tanterahina any Baku, Azerbaijan. Nandresy ilay Romanina, i Moscalu Serafima, teo amin’ny fihodinana voalohany ny tovovavy, ho an’ny sokajy “D” latsaky ny 70 kg. Tamin’ny alalan’ny Ippon, teo amin’ny 4 s niadiana no nahazoany ny fandresena. Taorian’io, niatrika ny ampahefa-dalana ary nidona tamin’ilay teratany Alemà, i Scoccimarro Giovanna izy. Resy tamin’ny alalan’ny Yoko i Laura. Marihina fa ity mpifanandrina taminy ity no voalohany ho an’ny vondrona “D”. Andrasana anio ny adin’Andriambololona Hajanirina Zo, eo amin’ny latsaky ny
78 kg. Hikatroka amin’ilay Gineanina, i Branser Marie, izy. Tsiahivina fa efa nahavita ny adiny Razafindrakalo Natacha Emiliame, ho an’ny latsaky ny 48 kg. Nifarana teo amin’ny ampahefa-dalana ihany koa ny tovovavy raha nidona tamin’­ ilay sinoa, i Zhuang Wenna. Na izany aza, tafavoaka teo amin’­ny fihodinana voalohany izy, rehefa nandresy an’i Hamidova Shafag, teratany Azerbaijanina.

Tompondaka

Partager sur: