Ankoatra ny tetikasa efa vita sy napetraka eny Mandroseza, mbola mandroso ihany koa ny fanamboarana « station pompe » vaovao ho fanatsarana ny famatsian-drano.
80% ny asa fanamboarana ny toeram-pampiakarana rano (station de pompage) vaovao ao Mandroseza no efa vita ankehitriny. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny Jirama sy ireo avy amin’ny tetikasa PAAEP hijery ny fandrosoan’ny asa, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny famatsiana rano eto Antananarivo sy ny manodidina. Anisan’ireo tetikasa maro mamaly mivantana ny filan’ny vahoaka ity asa ity.
Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ary ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ny tetikasa PAAEP (Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable) izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena. Manampy ihany koa amin’ny fanarenana ny Jirama ny tetikasa, ka anisan’izany ny fametrahana toeram-pampiakarana rano vaovao ao Mandroseza hanolo ilay taloha naorina tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany. Araka izany, afaka mamatsy rano tsara ny tanànan’Antananarivo izy io ary maro ny tombony azo avy amin’izany satria tsy ho tapaka intsony ny rano, araka ny fanazavan’ny teknisianina.
Manana trano sy fitaovana vaovao toy ny fantsona lehibe na paompy miisa fito ity « station de pompage » ity. Afaka manome rano hatramin’ny 120 000 m³ isan’andro ity toeram-pampiakarana rano vaovao ity, raha 80 000 m³ ihany ny tanjak’ilay teo aloha. Ankoatra izay, misy paompy fanampiny (pompe de secours) napetraka ho fiarovana raha sendra misy ny fahasimbana. Ahitana efitra fanaraha-maso vaovao ho an’ireo fitaovana rehetra.
Maoderina avokoa ireo fitaovana napetraka. Azo arahina maso avy lavitra ny asa, satria teknolojia vaovao avokoa izy ireo, ary tombanana ho vita amin’ny volana marsa 2027.
Vonjy





