Hahazo tombony indray ireo liana sy mankafy literatiora. Hisy ny velakevitra hatao ny alarobia 14 oktobra izao, eny amin’ny efitrano Dox ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy hanomezana vahana ny literatiora. Olona tsy vaovao eo amin’izany sehatra izany, no hanatanteraka ny velakevitra, tsy iza izany fa Ratrimoheritompo Holiharinaivo, mpampianatra literatiora. Lohahevitra hifampizarana ny hoe “Sandratra sy kanto ao amin’ny sandra-kanto”. Ny Faribolana Sandratra, eo ambany fiainan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Efa fanaony ny manome sehatra ny mpahay literatiora sy ny asa soratra ary ny zava-kanto toy izao. Anisan’ny hetsika karakarain’ny Faribolana Sandratra ihany koa ny sabotsy 17 oktobra izao, ny antsam-paribolana “Miako”, eny amin’ny CGM Analakely. Tononkalo maro no atolotra sy an-tsaina amin’io fotoana io, izay hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanentana amin’ity antsam-paribolana ity, ny Mama Tagany. Samy tsy misy vidim-pidirana avokoa ireo hetsika roa ireo kanefa hifampizarana zava-kanto miavaka no ho azon’ny mpanotrona.
Mi.Raz





