Ho mafy ny ady ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, anio, atsy Afrika Atsimo. Tsy maintsy mandresy ity farany, amin’ny elanelan’isa dimy izy ireo raha tiany ny hiakatra eo amin’ny dingana fahatelo amin’ity ady tapakila amin’ny lalao Olympika JO 2028 ity.
“Hiady mafy “! Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Free State Stadium, atsy Afrika Atsimo, ny fihaonana miverina eo amin’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo sy ny Barea Ladies an’i Madagasikara. Fifanandrinana tafiditra amin’ny dingana faharoa amin’ ny fifanintsanana lalao Olympika 2028 hotontosaina any Los Angeles Etazonia. Tsy maintsy mandresy amin’ny elanelan’isa mihoatra ny efatra ny ekipa nasionaly malagasy, anio, raha tian’izy ireo ny ho tafita amin’ny dingana manaraka.
Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny lalao mandroso, nomontsanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 4 no ho 0, i Madagasikara, ny 9 oktobra lasa teo, tao amin’io Kianja io ihany. Tamin’ity fifandonana voalohany ity, nanjakan’ny Banyana Banyana mihitsy ny fihaonana. Nisongadina tanteraka ilay lohalaharana Ronnel Donnely, izay nampiditra baolina telo nandritra ny fihaonan’ny roa tonta.
Raha ny loharanom-baovao voaray avy eo anivon’ny Barea Ladies, efa vonona ny hanarina ny lesoka ny mpilalao sy ny mpanazatra, Raux Auguste. Hiezaka ry zareo ny hanome ny tsara indrindra avy aminy mba hahafahana miakatra any amin’ny dingana fahatelo. Notsiahivin’izy ireo fa ekipa nasionaly efa manana ny toerany eto Afrika ny Banyana Banyana, ary efa nahazo ny Tompondakan’i Afrika, ny taona 2022. Marihina fa raha tafavoaka eto ny ekipa nasionaly malagasy dia miatrika ilay dingam-pifanintsanana fahatelo, izay hatao eo anelanelan’ ny 23 febroary – 6 marsa 2027.
Fitia Randria





