Nivoaka ny zoma teo, ny Tatitra mirakitra ny fampivoarana ny maha olona. Nanatanteraka azy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), notohanan’ny sampandraharaha CREG ao anatin’ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana misahana ny mponina (Fnuap). Nambaran’ny minisitra MEF, ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, fa fitaovana lehibe hampiroboroboana ny toekarena ny fisian’ity tatitra ity. Vinavinaina ho 5,1% ny fitomboan-karena amin’ny taona 2027 ary ho 5,3% amin’ny taona 2028. Koa, hanatrarana izany ny fanatsarana ny harena maha olona.
Vokatra hita ao anatin’ity tatitra ity, ny fananana voka-pikarohana siantifika, ny vokatry ny olona tsirairay amin’ny fiainany, indrindra ny tanora, izay 2/3 ny Malagasy. Ahitana antontan-kevitra voaporofo ara-tsiansa sy manana kalitao. Azo ampiasaina amin’ny lafiny teti-pivoarana, mifanojo amin’ny politikan’ny fitondrana Fanavaozana, hampiakarana ny fitomboan-karena. Anisan’ny voarakitra ao anatin’ny tatitra ny sehatry ny fiofanana arakasa, ny famoronan’asa, ny fanabeazana, ny fahasalamana, sns. Havadika ho asa mivaingana ny tatitra, mba hitondra fampandrosoana.
Njaka A.





