Ho fampirisihana ireo tomponandraikitra sy ny mponina, mikarakara fifaninanana ho an’ireo boriborintany eto Antananarivo ny kaominina. Ho fankasitrahana izay miezaka sy mendrika amin’ny lafiny fahadiovana sy filaminana ary tolotra.
Mikarakara fifaninanana ho an’ireo boriborintany mendrika ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo mpanaraka ny pejin’ny CUA no haneho hevitra sy hisafidy ny boriborintany heveriny ho tsara. Fahamendrehana amin’ny fahadiovana, ny filaminana ary ny tolotra ho an’ny vahoaka no hitsarana ny boriborintany amin’izany. Rahampitso sy afakampitso no hanaovana ny fifantenana.
Hampahafantarina amin’ ny rehetra ny asa sy ezaka efa nataon’ny boriborintany tsirairay, hahafahana mamantatra ny fanatsarana efa natao. Misy amin’izy ireo no tena tsara fandraisana ny mpiasa ao aminy rehefa manao taratasy ara-panjakana ny mponina. Mahafa-po ny fandraisan’olona sy ny tolotra omena, ny hakingan’ny fomba fiasa… Etsy andaniny anefa, tena maloto ny tanàna, kamo ny sefo fokontany amin’ny fanentanana ny olona amin’ny fanadiovana, tsy misy ny firindran’ ny asa…Mampatahotra ny fandriampahalemana, tsy azo lalovana hariva…Tena gaboraraka koa ny firindran’ny fifamoivoizana eo amin’ireny boriborintany sasany ireny.
Amin’ny toeran-kafa indray, tena feno avonavona ireo mpiasan’ny boriborintany ary mamiravira ireo mpila raharaha ao aminy. Kolikoly eny anelakela-trano no hahavitan-javatra na milahatra sy ampiandrasina andro maromaro vao vita ny taratasy.
Mety madio miohatra ny eny amin’ny faritra iva, toy ny eny 67Ha, Isotry, Andavamamba, Ampefiloha Ambodirano, Andohatapenaka…. ny tanàna sasany, saingy marisarisa kosa ny fandriampahalemana.
Sarotsarotra ny fitsarana ny boriborintany mendrika raha jerena ny antsipirian’ny fepetra fifaninanana. Mbola asa mafy ny famerenana ny hasin’ny tanànan’Antananarivo, satria efa potika nandritra ny taona maro ny toe-tsain’ny mponina manaja fahadiovana, fandriampahalemana…
Tatiana A





