Nohamoraina sy novahana ny olan’ny sefo fokontany sy ny lefiny amin’ny fandraisana ny tambinkaramany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray. Notsiahiviny fa naloa amin’ny alalan’ ny «Money mobile» izany teo aloha. «Nalefa any amin’ny distrika na ny Prefektiora izany izao ny tetibola noho ny olana samihafa sy ny fitarainan’ireo mpitantanana ifotony. Tsy any amin’ny fitondram-panjakana foibe intsony ny tetibola izany izao. Tafiditra amin’ny fanavaozana izany», hoy izy tamin’ny fandaharana manokana tao amin’ny TVM/ RNM. Anjaran’ny eny anivon’ ny distrika ny mandrindra sy mandamina izany. Nanteriny fa tsy ho amin’ny telefaonina intsony ny handraisan’ireo sefo fokontany miisa 19 000 vola. Horaisina amin’ny alalan’ny «Bon de caisse» izany. Efa voaloa avokoa ny volan’ireo sefo fokontany, taona 2025. Efa tokony hisitraka izany koa izy ireo ho an’ny fiandohan’ity taona ity.
Etsy andaniny, nitondran’ ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fanazavana koa ny momba ny fitantanana ny fokontany. «Tsy mbola afaka hirosoana aloha ny fifidianana ny filohan’ny fokontany. Mbola sarotra ny hanatanterahana izany amin’ izao fotoana izao. Aleo isika miandry ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoham-pirenena», hoy izy. Miankina amin’izany no ahafantarana na hijanona amin’izao rafitra izao na hiova na koa hofidiana sa tsia ireo mpitantana eny ifotony. Notendrena vonjimaika aloha ireo sefo fokontany ireo hampandeha sy hamaly ny filàn’ny vahoaka eny anivon’ny fokontany mandra-pahitana ny tapaky ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.





