Tsy fanajana ny fahadiovana eny ifotony: 122 ny isan’ireo olona niharan’ny sazy ara-bola

« Nahatratra 122 ireo olona niharan’ny sazy ara-bola noho ny tsy fanajana ny fahadiovana eny ifotony », raha ny tatitra nataon’ny Fitaleavana ny fanadiovana sy ny fidiovana izay fampiharana ny Fitsipika momba ny fahadiovana. Anisan’izany ny fivoahan’ny rano maloto tsy ara-dalana ary ny fampiasana lavapiringa tsy ara-pahasalamana.

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny tana­nan’Antananarivo Renivohitra, ny jery todika ny asa vitan’ireo fitaleavana tsirairay tao anatin’ny volana vitsivitsy. Anisan’ ny nanaovana tatitra tamin’izany, ny fanatsarana ny fom­ba fiasa eo anivon’ny fitaleavana ny fanadiovana sy ny fidiovana izay fampiharana ny fitsipika momba ny fahadiovana na « Code municipal d’hygiène ».
Miisa 54 ireo Inspecteur d’hygiène izay niasa tao anatin’ny fokontany miisa 192 tao anatin’ny Boriboritany miisa enina. Nanomboka tamin’ny volana teo ny fanamafisana fa mihatra ny sazy ara-bola momba ny tsy fanajana ny fahadiovana.
Nampiharina ny volana septambra lasa teo izany. “Mangetaheta fahadiovana ny mponina satria niakatra ho 40 % ny tahan’ny fahadiovana teny anivon’ny fokontany”, hoy Rasoanomenjanahary Anjarasoa Maharavo, tale misahana ny fanadiovana sy ny fidiovana ao amin’ny CUA. Nahatratra 122 ny isan’ireo olona tratran’ny sazy ara-bola, raha ny tatitra voaray hatrany. “Ny fampiasana lavapiringa tsy ara-pahasalamana ary ny fivarotana sakafo masaka maloto ny ankamoaran’izy ireo», hoy ihany izy.

Sazy hatramin’ny 5 tapitrisa Ariary

Ny Boriboritany voalohany sy fahefatra, no nahazoana fitarainana betsaka indrindra. Dimy ireo sazy izay ampiharin’ny CMH. Mitentina 5 000Ar, 50 000 Ar, 3 hetsy Ar, iray tapitrisa Ar ary dimy tapitrisa Ar ny sokajy ambony indrindra.
Ny sokajy faharoa izay andoavana sazy 50 000 Ar no tena betsaka indrindra tamin’ny sazy izay mahakasika ny fivoahan’ny rano maloto tsy ara-dalana sy ny fampiasana lavapiringa tsy ara-pahasalamana. Natokana ho an’ny olon-tsotra ny sokajy voalohany hatramin’ny fahatelo. Ho an’ny orinasa kosa ny sokajy fahefatra hatramin’ny fahadimy. Miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ary mahazo taratasy fanamarinana ny fandoavana ny vola ireo voasazy ireo.

Mino

Partager sur: