Nampahafantatra ny voka-pikarohana nentin’ny mpikaroka, Andriamisandratsoa Herizo, ny vovonanana famerenan-kasina ny fokonolona (VFKF). Fiarahamonim-pirenena mitsangana ifarimbonan’ny fikambanana samihafa. Tajona ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy rehetra amin’ny fanarenana an’i Madagasikara. Mifototra amin’ny famerenan-kasina ny fokonolona izany. Ny olona no harena voalohany ka haverina ny hasin’ny maha olona dia ny Malagasy rehetra izany. Tafiditra ao anatin’izany koa ny firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara. Ny fanavaozana ny firenena dia tsy maintsy miverina amin’ny loharano nipoiran’ny Malagasy. Aiza isika no tokony hiverina voalohany hahafahana mamerin-kasina. Hatrany amin’ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka manontolo dia mpandray anjara avokoa.
Hafantoka amin’ny voka-pikarohana siantifika ny porofo hahafana mamerin-kasina, izay hiantsoana ny ankolafy rehetra.
Manoloana ny zava-misy, izay misongadina fa miharatsy ny fiainana eto Madagasikara sy aty Afrika ary maneran-tany mihitsy no anton’ny nanaovana fikarohana. Hampahafantarina ny rehetra izany vokatra izany ary havadika ho asa mivaingana hisian’ny famerenan-kasina.
Tatiana A





