Nisongadina indray ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny amboara an’i Afrika, taranja judo, sokajy junior, ho an’ny vehivavy, latsakin’ny 57 kilao, izay natao tany Yaoundé, omaly. Nandrombaka ny medaly volafotsy, Rakotonandrasana Aina, vehivavy malagasy mpikatroka, rehefa resin’ilay kameroney, Nsame Mbongo Fiona.
Raha hiverenana kely ny dingana vitan’ity Malagasy ity, ireo kameroney avokoa no nifanandrina taminy. Teo amin’ny vondrona “D”, resin’i Aina, i Haranga Haman Audrey, ary nahintsany teo amin’ny manasa-dalana i Guiolobo Mbili Marie France. Teo amin’ny famaranana ihany izany izy no nahita faharesena.
Ankoatra an-dRakotonandrasana Aina, manana solontena amin’ny Yaoundé African Open 2026, ihany koa ny Malagasy dia niatrika famaranana ihany koa i Andriambololona Hajanirina.
Fitia Randria





