Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Fiba Afrique), ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona 3, sokajy lahy sy vavy, i Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany, ny 3 hatramin’ny 6 desambra ho avy izao.
Misongadina ny ekipan’ny GNVB, zazalahy sy ny ASI, zazavavy, eo amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball. Fifaninanana ho an’ny sokajy U23, tanterahina any Antsirabe. Ekipa roa samy tsy mbola resy izy ireo. Manaraka azy, ho an’ny lehilahy, ny Cosfa ary ny CVBF ho an’ny sokajy vehivavy.
Mitohy any Antsirabe ny fiomanan’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe. Ahitana an’i Liva, Baloty, Lova ary i Tendry izany. Ao anatin’ny fametrahana ny paikady amin’izao fotoana ny mpanazatra sy ny teknisianina. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany any Thaïlande, ny 20 – 24 novambra ho avy izao ry zalahy.





