Kitra – Fifanintsanana Lalao Olympika: Andrasana ny lisitry ny Barea ofisialy

Nanaitra ny maro ny fahitana ny lisitrin’ny Barea U23,  niparitaka tao anaty tambajotran- tserasera,  ny zoma alina teo. Nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federa­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny staff Barea U23, fa tsy mbola ofisialy ilay lisitra. Mandalo fankatoavana eo anivon’ny komity mpanatanteraka (CE) ny rafitra federaly ka andrasana amin’ity herinandro ity ny fivoahan’ny lisitra ofisialy. Tsiahivina fa hiatrika ny fihaonana roa, (mandroso sy miverina) amin’i Afrika Atsimo, izay ao anatin’ny  fifanintsanana  hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny lalao olympika 2028, izy ireo. Noho ny tsy fananan’ny Malagasy kianja hankatoavin’ny Caf, tsy maintsy any Afrika Atsimo avokoa ny hanaovana an’ireo fifandonana roa ireo, ka ny 14 novambra izao ny lalao voalohany ary ny 17 novambra ho avy io, ny faharoa. Tsara marihina fa efa roa volana volana mahery izay ny ekipa nasionaly malagasy no nanoman-tena. Efa niatrika fihaonana ara-pirahalahiana maro tamin’ireo ekipa voafantin’ny faritra toy ny mpilalaon’i Bongolava, Alaotra Mangoro, sy ireo ekipa PFL, Uscafoot, Ajesaia. Ampaha­fan­tarina ihany fa raha ilay lisitra miparitaka navoakan’ireo mpikarakara ny Barea U23 iny ihany no mivoaka, mitotaly 23 ireo mpilalao nantsoin’i Boua­lem Mankour, ka 14 amin’ireo dia avy eto an-toerana avokoa.

Fitia Randria

Partager sur: