« SLANG Freedom 250 » : Tany Mahajanga ny nanombohana ny fifaninanana

Vita tamin’ity herinandro ity ny atrikasa nanomanana ny “Slang Freedom 250”. Fifaninanana Slam amin’ny teny anglisy, karakarain’ny Madagaslam. Manomboka ny fifaninanana !

Nahafahana nandalina ny fahalalahana maneho hevitra “Freedom of Speech”, nianarana nanoratra sy nandray fitenenana ary nanao slam amin’ny teny anglisy ny atrikasa natrehin’ ireo tanora ao amin’ny programa « Slang Freedom 250 ». Hiditra amin’ny fifaninanana eny anivon’ireo tanàna telo, ho fiomanana amin’ny famaranana nasionaly, ny Madaga­slam. Araka izany, ny tany Mahajanga no nanombohana ny fifaninanana, omaly. Hitohy eto Antananarivo izany, anio, amin’ny 9 ora maraina. Any Taolagnaro kosa ny hamaranana azy, ny alatsinainy 9 novambra izao, amin’ny 2 ora tolakandro. Hizarana ny to­nonkalo, hizarana ny sehatra ary hiainana ny fahafinaretan’ny fifaninanana no tena atao amin’ity fihodinana voalohany ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Amin’ny dingana manaraka vao tena hisy ny fitsarana, ka amin’ny fihodinana faharoa no hifantenana izay hiatrika ny famaranana nasionaly. Ny 13 novambra no ha­naovana ny fihodinana voalohany ao Mahajanga ary ny 14 novambra kosa ny any Tao­lagnaro. Tsiahivina fa amin’ny teny anglisy ny andiany voalohany amin’ny “Slang Freedom 250”, izay sady tafiditra amin’ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Eta­zonia. Tanjona ny hanangana vondrona Poety Slam amin’ny teny anglisy, izany hoe, tsy hijanona amin’ny fifaninanana fotsiny. Tetikasa mikendry ny hampiroborobo ny soatoavina amerikanina momba ny fahafahana maneho hevitra amin’ny alalan’ny slam poezia atao amin’ny teny anglisy rahateo ny “Slang Freedom 250”.

Mi.Raz

Partager sur: