Manangareza Toamasina : Raim-pianakaviana matin’ny hanoanana

Misesisesy ny fahitana fatin’olona tato ho ato. Raim-pianakaviana iray, tokony ho 50 taona, hita faty tany amin’ ny fokontany Manangareza, kaominina an-drenivohitra Toa­masina, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any. Hita nitsirara tsy lavitry ny tsena ity farany. Nahatsikaritra izany ny mponina eny an-toerana ka nampilaza ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany ireto farany vantany vao nahazo ny antso.
Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana, tsy ma­nan-kialofana ity lehilahy hita faty ity. tombanana ho matin’ny hanoanana ny antony nahafaty azy, raha ny fizahan’ny mpitsabo. Mbola tsy tonga nijery an’io razana io ny havany. Nilaza ho tsy nahafantatra azy rahateo koa ny ankamaroan’ny olona. Voalaza fotsiny fa tsy manana trano honenana ary mirenireny eny an-dalana ity farany. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany tany amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny avy amin’ny BMH taorian’ny fanadihadiana rehetra.
Ankoatra izay, misy razana renim-pianakaviana iray ihany koa tavela ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly tamin’ny fotoana nanaterana ity razana hita ity, omaly. Tsy mbola nisy fianakaviany tonga naka sy nijery azy tao hatramin’ny nahafaty azy. Efa simba tanteraka ny razana amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy handray andraikitra mahakasika izany ny tomponandraikitra.

Sajo

Partager sur: