Nisy nangalatra ny tariby mitondra herinaratra avo lenta mirefy 1 800 metatra tao Volobe, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly. An’ny orinasa Jirama ireo tariby lasibatra ireo, ka ahina hisy fiantraikany amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny tanànan’i Toamasina iray manontolo. Raha ny fanazavana voaray, mizara telo ireo tariby very, izay samy mirefy 600 metatra avy. Notapahin’ireo olon-dratsy avy eny an-tampon’ireo andrin-jiro ireo tariby avo lenta ireo. Tariby mitondra herinaratra mahery vaika ireo saingy lasan’ ny olon-dratsy hatrany. Efa niomana tamin’ny fitaovana nahafahana nanao ny asa ratsy, araka izany, ireo olon-dratsy. Noho ny fahabangan’ireo tariby mitondra herinaratra ireo, voafetra ny famokarana herinaratra ao Volobe. Mety hisy fahatapahan-jiro, araka izany, any an-toerana. Marihina fa efa maro ny trangana fangalarana tariby mitondra herinaratra tahaka izao. Ahitana izany tranga izany avokoa ny ankamaroan’ny faritra tsirairay. Tamin’ity tranga tany Toamasina ity, tsy mbola nisy tratra ireo olon-dratsy. Efa eo am-pelantanan’ ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana. Entanina hatrany ny olona tsara sitrapo mba hampandre ny tomponandraikitra avy hatrany raha sendra mahita na mahatsikaritra olona mangalatra ireny fitaovana mamatsy herinaratra ireny.
Mino





