TSELATRA

Vehivavy iray niampita tao anatin’ny fiampitan’ny mpandeha an-tongotra no nodomin’ny moto iray tetsy Ankorondrano, omaly maraina. Nijanona nanome lalana azy io ny fiara iray ka niampita izy. Teny an-dalana, nisy moto iray nandeha mafy no nifoaka azy. Vokany, naratra ilay vehivavy voadoana ary efa nentina any amin’ny hopitaly. Anisan’ny olana goavana ny tsy fanajan’ny fiara na moto ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra.
Fiara iray no latsaka tany anaty lakan-drano iray tetsy amin’ny lalana mihazo an’i Marobiby Sakanambazo, omaly. Raha ny fantatra, efa-dahy izay samy nahenoana fofona alkaola no tao anatin’ilay fiara. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga ity. Entanina hatrany ny mpamily mba tsy hampiaraka ny fitondrana fiara na moto amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola.
Mpianatra 214 sy mpampianatra 7 ao amin’ny Ecole Privée Catholique (EPC) Mandrosoa, kaominina Anjanadoria, distrikan’Ambohidratrimo, voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo, afakomaly. Voalaza fa nisotro ronono soja tao amin’ny toeram-pisakafoanan’ny mpianatra iray teny an-toerana izy ireo ka narary ny alina taorian’izay. Samy nivalana, nandoa ary niakatra hafanana avokoa izy rehetra. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny CSB II Anjanadoria sy ny CHRD Bejofo/Mahitsy amin’izao.
Hazan-dranomasina iray antsoina hoe : Dauphin, mirefy 2,5 metatra, no hitan’ny mponina teny amoron-dranomasin’i Morondava, afakomaly. Mbola velona io hazan-dranomasina io ka nakarin’ny olona an-tanety mba hovonoina hatao sakafo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny tomponandraikitra raha vao naheno izany ka nanapa-kevitra ny handevina ity biby arovana ity. Hisorohana ny mety fahapoizinana ara-tsakafo.

Partager sur: