Amin’izao, tsy misy resaka firy ny momba ny volavolana tetibola taona 2027. “Niezaka nanome tolo-kevitra ny CCOC mba hahazoana manamafy ny fangaraharana sy tamberin’andraikitra eo anivon’ny lalàna mifehy ny tetibola”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny fiarahamonina sivily CCOC, Radera Hony, momba ny fandinihan’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2027 ao anatin’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao. Vokatra no andrasana amin’ny fampiasam-bolam-panjakana, fa tsy fandaniana fotsiny. Tsy tokony homena vola ny minisitera, raha tsy misy paikady sy fandaharanasa mazava. Izay paikady izay no hahazoana manaraka marina hoe: inona ny vokatra andrasana amin’ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ny minisitera samihafa? Eo koa ny hoe tokony ho laharam-pahamehana ny fanomezana tohana ny rafitra fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana. Anisan’izany ny fitsarana momba ny kaonty, ohatra.
Amin’ny CCOC, rehefa mampiasa vola dia tokony ho fantatra mazava hoe: inona ny vokatra azo. Tokony ho voafehy ny momba ny “El Niño”, miezaka ry zareo amin’izao mamakafaka hoe: inona ny paikadin’ny fanjakana mba hahazoana miatrika ny “El Niño”? Aiza ho aiza ny paikady ary efa misy tetibola mipetraka ve? Ary ampy ve ny vola amin’izany? Eo koa ny momba ny fikaonandoham-pirenena, izay mila fangaharahana sy tamberin’andraikitra.
Mba tsy ho tsangan-tanana fotsiny no hataon’ny depiote amin’ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, fa tena mamakafaka ny tahirin-kevitra tonga eo amin’izy ireo. Inoana fa ho tonga ara-potoana izany. Miantso ny olona manana traikefa: eo, ohatra, ny fitsarana momba ny kaonty, ny fiarahamonina sivily…
R. Nd.





