Filohan’ny Fanavaozana : “Vonona hiara-miasa amin’ny fanjakana rosianina ny fitondrana”

Vonona hatrany ny fitondrana hiara-miasa amin’ny fanjakana rosianina mba hitondrana tombontsoa ho an’i Madagasikara sy i Rosia.

Io na anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fandraisana “valizy medikaly” miisa 230 avy amin’ny firenena rosianina, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny fahazoana milina sy kojakoja fanaovana “dialyse” avy amin’ny vondrona Tsingshan, nahazo an’izay fitaovam-pitsaboana vaovao fanaovana fitiliana ara-pahasalamana avy amin’ny orinasa rosianina Sberbank izay ny fitondrana Fanavaozana. Fitaovana raitra hiaka farany ahitana fitaratra marani-tsaina amin’ny fomba artifisialy (GigaDoc) izy ireo, afa-mandefa ao anatin’ny fotoana fohy ny fitempon’ny fo sy ny tosidra ary ny haavon’ny rarintsaina amin’ny fandinihana endrik’olona. Eo koa ny fitiliana ra hahazoana mamantatra izay filana ara-pahasalamana maika.
Tsy natao hametrahana fitiliana ara-pitsaboana ny GigaDoc, fa hanampy amin’ny fisorohana sy ny famantarana mialoha izay mety ho olana ara-pahasalamana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny foibe indostrian’ny fahasalamana ao amin’ny Sberbank, i Serguei Jdanov. “Midika izao fa tsy mikely soroka ny fitondram-panjakana amin’ny fitadiavana vahaolana enti-mamaly ireo filan’ny vahoaka, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana. Miava­ka noho ny fampiasana faharanitan-tsaina artifisialy ireo fitaovana. Afa-manampy amin’ny famantarana ny aretina ao anatin’ny 15 segondra sady miaro ny tsiambaratelon’ny marary. “Porofo maneho ny fisokafan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Rosia amin’ny sehatra maro izao, fa tsy voafetra amin’ny ara-miaramila ihany”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: