Pr Ranjeva Raymond: “Zon’ny rehetra ny misitraka fandriampahalemana…”

Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Noely izao ny filohan’ny Académie Africaine des Sciences Religieuses Sociales et Politiques – AASRSP, ny  Pr Ranjeva Raymond. Nambarany tamin’izany fa tokony hahatonga izao tontolo izao ho mendrika ny hafaliana entin’ny fahaterahan’i Jesoa. “Ao anatin’ny firahalahiana tanteraka ary mba hisitraka ny zo ho an’ny filaminana sy fandriampahalemana ny rehetra“, hoy izy. Nanteriny fa tokony hampiharina amin’ny andavanandrom-piainana izany.  Nohitsiny fa olana ny tsy fahitana ny marimaritra iraisana ara-politika ho amin’ny tena fitoniana, maneran-tany. Manjaka ny fihatsarambelatsihy sy ny tsindry na koa fandrebirebena samihafa. Tonga hatrany amin’ny ady rehefa manda ny tokony hisitrahana ny filaminana sy fandriampahalemana ny fanjakana iray.  Notsindriny fa mangetaheta izany zo izany ny Afrikanina.

Fitoniana sy filaminan’i Afrika

Ahafahantsika manangana tontolo vaovao ny fiarovana ny soatoavin’ny filaminana sy fandriampahalemana. “Hevitra vaovao izany ary tsotra sy tokony hositrahan’ny rehetra. Iantsoana ny tsirairay hampitoetra ny fitiavana sy hampiharana  ny fahamarinana, ny rariny. Eo koa ny fifanajana sy ny fifanakalozana ary ny fifampizarana “, hoy ihany izy.  Notanisainy tamin’izany fa ilaina ny filaminana ho an’ny sivily, ny jeopolitika. Ny  fandriampahalemana ho an’ny fampandrosoana.

Natsidiny fa anisan’ny lohahevitra amin’ny kongresin’ny AASRSP amin’ny taona ho avy, any Abidjan izany filaminana sy fitoniana izany. “Tena miaina izany ao anatin’ny firahalahiana sy firaisankina ve ny Afrikanina ?” hoy ny fanontaniany.  Nambarany fa fanamby goavana ny hametrahana ny kolontsain’ny filaminana sy fitoniana ho an’i Afrika.

Synèse R.

Partager sur: