Hatramin’izao, tsy miala am-bavan’ny rehetra, indrindra ireo mpankafy baolina kitra, ny faharesen’ny Barea de Madagascar, tany Maroc farany teo. Ao ireo tsy te hiresaka izany intsony, ny sasany milaza ny ao am-pony satria ny alahelo tsy ambara havana, hono, zakan’ny tompony ihany. Ao koa nefa ireo mpamendrofendro, tsy momba ny atsy sy aroa.
Na eo aza ireo fanehoan-kevitra samihafa ireo, fahavoazana lehibe ho an’ny baolina kitra malagasy ny tsy nanaovana ny lalao teto Madagasikara. Nisy fiantraikany goavana izany na ho an’ireo mpilalao na ho an’ny mpiondana ity taranja mankararirary ny Malagasy ity. Toa angidina sy akoho ny Malagasy, manana ny kianjaben’ny Mahamasina. Ny angidina no manan-damba fa mihanjaka, ny akoho no manana elatra fa tsy afa-manidina.
Mirentirenty io fotodrafitrasa lafovidy io saingy tsy azo ampiasaina, miteronterona ny haavony saingy tsy azo hijerena ny Barea de Madagascar manao baolina eo. Fahavoazana iray lavaka ny an’ny rehetra. Toa akohokely latsaka an-kady, hiantso kely feo, hanidina tsy afaka. Toa lazolazoim-panaviana ny Barea, ka tratra atoandro am-pandriana.
Be ny fampanantenana natao, tsy tambo isaina ny toky nomena fa ny eo ihany no eo. Toy ny angidina ny baolina kitra malagasy amin’izao fotoana izao, miriorio foana fa any an-kady no hiafarany. Manao atsimo sy avaratra toy ny tandrok’omby rangaranga ny tomponandraikitra sy ny mpitia baolina kitra. Milaza ho mahefa amin’ny zavatra ataony ny mpitantana nefa toy ny angady tsy mahatapaka ahitra. Ny mpankafy, manan-kevitra fa tsy misy mpihaino. Iza no mandainga? Sanatria toa angidina sy akoho.
Tompondaka