Haino vaky jery : Niofana momba ny zo ara-pananahana

Nampiofana mpanao gazety maromaro avy amin’ny haino vaky jery tany Antsirabe nandritra ny hateloana ny Forum Generation Egalité (FGE), momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana (SDSR). Antony nisafidianana ny lohahevitra ny fahitana ny firongatry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Eo koa ny fahatsapana fa vitsy ny isan’ny tanora mahalala momba ny fananahana. Satria, tsy ampy ny fahazoany vaovao sy ny fandalinana momba io lohahevitra io. « Efa tsy afaka manao fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana any an-tsekoly rahateo ny firaisamonina sivily ka maro ny tanora ny manaotao foana fa voafetra ihany ny fahalalany », hoy ny mpanorina ny Mentor CCE misehatra amin’ny fanabeazana, mpikambana amin’ny FGE, Raveloarinanja Dominique.
Taorian’ny fanadihadian’ny mpisehatra teny amin’ny Lycée, nisongadina fa mitombo ny zatovovavy miala an-daharana noho ny fitondrana vohoka. Satria, tsy mahazo mianatra intsony izy ireo. Mpianatra roa amin’ny 10 no tratran’izay tranga izay ka nampiato ny fampianarana.
Manohy ny fanabeazana ivelan’ny sekoly ny firaisamonina sivily momba ny fananahana fa tsy ampy. Zava-dehibe ny fisian’ny haino vaky jery hitondra fanentanana sy fizaram-baovao satria misy sokajin’olona manaraka ny vaovao atolotr’izy ireo isan’andro.
Tsy afa-miresaka momba ny fanabeazana feno ara-pananahana any an-dakilasy intsony ny mpisehatra nefa nambaran’ny World Atlas ny taona 2015 fa laharana faha-13 maneran-tany manana ny taha ambony amin’ny vohoka aloha loatra i Madagasikara. 31% amin’ny zatovovavy ary 40% amin’ny zazalahy no miroso amin’ny firaisana ara-nofo mialoha ny faha- 15 taonany ka zava-dehibe ny fahazoan’izy ireo fahalalana feno hiarovany ny tenany.

Vonjy

Partager sur: