Fiomanana amin’ny fahavaratra : mamarana ny fanadiovana tatatra ny etsy Ampitatafika

Manatanteraka asa tanamaro mahakasika ny fanadiovana tatatra ny etsy Antani­me­nabe Ampitatafika, amin’izao fotoana izao. “Tatatra manamorona ny lalam-pirenena voalohany sy ny fokontany vaovao Ambodiafontsy sy Andrefambohitra ary mihazo an’Ankaditany. Diovina ny tatatra ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ny fahavaratra. Mahatonga tondradrano madinika amin’ny toerana iva eny an-toerana ny fahatsentsenan’ny lakandrano ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny lefitra faharoa sady miandraikitra ny lafiny ara-teknika eo anivon’ny kaominina Ampi­tatafika, Rabekijana Faly. Herinandro telo ny nanaovana ny asa ary miditra amin’ny herinandro farany izy ireo amin’izao. Nampiasa lehilahy sy vehivavy 141 teo ny fanaovana ny asa tamin’ny herinandro voalohany. Manodidina ny 100 ireo vatan-dehilahy mamita ny asa tamin’ny herinandro faharoa sy ity farany ity. Ho fitsinjovana sy fanampiana ireo olona ao anatin’ny tsy fisian’ ny asa izao, omena 7000 Ariary isan’andro eo ny olona iray mandritra izany.
Ankoatra izay, “lasa mila fanampiana avokoa ireo olona tsy neritreretina ho manana olana amin’izao fotoana, noho ny olan’ny jiro sy rano ankehitriny”, hoy hatrany izy. Antony mahatonga izany ny fahapotehan’ny antom-piveloman’izy ireny, toy ny mpanao volo, mpanao soudure sy ny maro hafa. Mangataka ny hamahana ny olan’ny jiro sy rano haingana ity tomponandraikitra ity satria misy fiantraikany goavana any amin’ny sosialim-bahoaka izany.

Mino

Partager sur: