VAOVAO TAMBATRA

Homanina ny fomba hitaterana ny milina herinaratra, hapetraka eny Ambohimanambola hanana tanjaka 105 MW. Hisy fepetra manokana nanamafisana ny tetezamby (PK 108+800) amin’ny lalam-pirenena RN2, miainga any Toamasina mankaty Antananarivo, ahafahan’ny fiarabe mitondra ireo milina vaventy ireo. Manatanteraka azy ny orinasa CHEC, izay kendrena ho vita mialohan’ny 22 desambra ho avy izao.

Hampiroborobo ny sidina anatiny sy hanohizana ny sidina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ireo no fanamby napetraka ho an’ny 80 taona manaraka, mandritra ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny OACI eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 4 ka hatramin’ny 7 desambra. Havaozina ihany koa ireo seranam-piaramanidina miisa 58 eto Madagasikara ahafahana mampiroborob ny sehatry ny fizahantany.

Hanao audit ny Aviation civile de Mada­gascar (ACM), ny 13 janoary 2025, ny Organisation Internationale de l’Aviation Civile, rehefa niato nandritra ny 12 taona izany. Tanjona ny hanamafisana ny fisorohana ny lozam-pitaterana ana habakabaka. Antenaina fa hiakatra ambony ny notin’i Madagasikara taorian’ny fanavaozana sy fanatsarana natao teny anivon’ny ACM. Vonona handray ireo mpanao fanadihadiana ireo tomponandraikitra eny an-toerana.

Partager sur: