Natao, omaly, teto Antananarivo, ny fivorian’ny vaomiera mpandrindra (CP) mahakasika ny tetikasa tontolo voajanahary lovain-jafy any amin’ny tapany Atsinanan’i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Birao nasionaly mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro ary ny Redd+. Manatanteraka ny tetikasa ny Conservation international any amin’ny Tandavanala Ankeniheny- Zahamena (CAZ) sy ny Tandavanala Ambositra-Vondrozo (Cofav). Nohamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, notohanana ny mponina eny ifotony ary nahena ny fiparitahan’ny entona mangeja ny habakabaka (GES).
Nomarihin’ny Mpandrindra ny tetikasa (Cop) ao amin’ny Conservation International, ny Dr Rakotobe Zo Lalaina, fa nifantohana ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny mponina eny ifotony. Notohanana ny velon-tenan’izy ireo, namokatra masomboly sy mampihatra ny asa vadim-boly. Nanamafy ny governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, anisan’ny mpikambana ao anatin’ny CP, ny Dr Ramarosandratana Guy, fa miisa 24 000 ny tokantrano nisitraka ny tetikasa, 4 000 ha ny tontolo voajanahary narenina. Mahatratra 8,3 miliara taonina ny fatran’ny entona voaaro.
Nandritra ny 5 taona ny nanatanterahana ny tetikasa. Vinavinaina ny hanitarana azy amin’ny taona 2025, hamenoana ny tanjona tsy mbola tratra.
Njaka A.