Mikatsaka ny tsara hatrany : Nahazo Iso 14001 sy Iso 45001 ny Yas

Fitaratra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Dingana lehibe ho an’ny Yas ny fahazoana ny mari-pankasitrahana, Iso 14001 sy ny Iso 45001. Misongadina ity tambajotram-pifandraisandavitra ity amin’ny alalan’ny kalitaon’ny tolotra omeny, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fikarakarana ireo mpiara-miasa ao aminy.
Nandray ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny talem-paritry ny « Certification et formation de la société générale de surveillance SA (SGS) », Daniel Julie, ny tale jeneralin’ny Yas, Patrick Pisal-Hamida, ny alarobia teo, teny amin’ny foiben’ny Yas, Andraharo.
Manamarika ny ezaka ataon’ny orinasa amin’ny fiarovana sy fikajiana ary fitantanana maharitra ny tontolo iainana ny Iso 14001. Ataony laharam-pahamehana hatrany kosa ny fahasalaman’ireo mpiasa ao aminy sy ny fiarovana ny tsirairay mba hiaina anatina tontolo milamina sy mahafinaritra. Antony nahazoany ny Iso 45001.
Porofo izao fa mikatsaka ny tsara hatrany ny Yas. Tanjon’ny orinasa ny hitondra vahaolana vaovao, tsotra ary sahaza ny rehetra ho an’ny fananganana hoavy mamiratra ho an’i Madagasikara. Mirakitra tantara 130 taona, 20 taona nidirana teo amin’ny sehatra tsy miankina ary fanavaozana nanomboka ny novambra 2024 ny Yas. Vina apetrany ny hiara-dalana sy hanohana hatrany ny Malagasy ao anatin’ny fampiroboroboana ny teknolojia.

Henintsoa H.

Partager sur: