TARATRY ny KANTO

“TVM’Fety Krismasy”. Fandaharana manokana sy miavaka, novolavolain’ny fahitalavi-pirenena izy ity. Alefa manokana rahampitso 25 desambra, amin’ny maha andro Noely azy. Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany ny tapany voalohany ary amin’ny 8 ora alina kosa ny tapany faharoa. Hisy mpanakanto hanafana ny fandaharana, toa an’ny Jaws Band sy ny Olifonica. Handray olo-malaza maro ihany koa.
Hisokatra ho an’ny besinimaro manomboka anio ilay fampirantiana “Ho tiavinay…Madagasikara”. Fampirantiana saripika, sanganasan’ireo mpaka sary mivondrona ao amin’ny “Mi-Tily Sary, etsy amin’ny Cité des cultures Antaninarenina izy ity. Maneho ireo harena voajanahary, manome fanantenana ary mampitsiriritra ny vahiny mandalo eto Madagasikara ireo sary voafantina ireo. Izay rahateo ny tanjon’ireto skoto mpaka sary, izay samy manana ny aigam-panahiny ireto.
Nanohy ny “Noelin’ny fitia” teny amin’ny Kianja Masoandro ry Singers of Jesus. Mafana hatrany ary tsy nitovy isak’alina ny seho, na dia samy nitondra ireo hiram-pivavahana, indrindra ireo hira Noely aza ireo mpanakanto nifandimby. Omaly ihany koa no niakatra i Mathieu, La Voix d’Or, ankoatra ireo ankizy mpianatry ny Anac. Niverina ihany koa ny TGC, izay efa nanafana ny seho voalohany.
Mitohy ny fitetezam-paritra ho an’i Arnaah. Taorian’ny fandalovany tetsy amin’ny Chez Papa Isoraka, ny faran’ny heriandro teo, fantatra fa hihazo an’i Fenoarivo Atsinanana indray ity mpanakanto ity, hanatontosa seho rahampitso sy ny andron’ny Noely.

Partager sur: