Toekarena manga: hanome tohana 100 000 euros ny Vondrona eoropeanina (UE)

Mitentina hatrany amin’ny 100 000 euros ny tohana omen’ny Vondrona eoropeanina (UE) ho fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga. Fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatra, araka ny fifanarahana amin’ny jono, andiany faharoa, hiarahana amin’ny UE. Hiompana amina sehatra dimy ny fandaniana amin’ity taona ity, izay mifanaraka amin’ny politikam-panjakana sy ny minisitera ny jono, ny fampiroboroboana anaty rano, ny fahadiovana. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fanaraha-maso ny jono sy ny fitantanana.
Marihina fa notanterahina ny herinandro teo, teny Ampandrianomby, ny fivoriana savaranonando mialoha ny hiatrehana ny fivorian’ny vaomiera iombonana niarahana tamin’ny Vondrona eoropeanina mahakasika ny fampiasam-bola avy amin’ny fanohanana ny sehatry ny fifanarahana ara-jono.
Tanjona ny hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana sy ny fomba fiasan’ny minisitera manoloana ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo sehatra tsy miankina.

Henintsoa H.

Partager sur: