“Sao fotoana izao hanaovana fikaonandoha hijerena ny sosialim-bahoaka sy ny maharary ny vahoaka? Manampahaizana avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Tokony hisokatra ny rehetra fa tsy hiolonolona amin’izao fotsiny”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, manoloana ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Raha tena tia tanindrazana marina ny mpanao politika, sao tokony hifanome tanana hijery izay hahazoana manampy ny vahoaka aloha?
Ho an’ny MHM, tsy hoe fahazoana toerana no mahamaika, fa ny fahatongavan’ny antoko na mpisehatra politika samy manana ny anjara tandrify azy. Izay no hoe antoko politika. Adidiny ny mitaiza ny olom-pirenena: mampita amin’ny vahoaka izay tokony hampianarina azy. Ny mpanao politika koa tsy tokony ho tia tena befahatany, ka hieritreritra fitiavan-tseza na hanao adilahy politika hatrany.
Ny fifanomezana raha misy tokoa ny fitiavan-tanindrazana: maninona raha mikaondoha hamahana ny olana mahazo ny vahoaka? Mila sokafana ny fifampiresahana fa tsy voatery ho adilahy politika na fitadiavana seza na fitadiavana tombontsoa ny fikaonandoha. “Andao hanao fikaonandoha hijerena ny vahoaka aloha, fa ny mpanao politika hatrany ve no hifampijery eto?”, hoy izy. Toy ny hoe izay mahasoa ny mpanao politika hatrany no jerena. Tsy aleo ny vahoaka aloha no jerena?
Misy fanahiana
Efa niomana amin’ny fifidianana ny MHM, araka ny nambarany. Rehefa nataon-dry zareo ny fandinihana, toa sarotra ihany ny hino hoe ho tanteraka izany. Na ny tetibola hoenti-manana izany aza, tsy ampy. Manahy ny hisian’ny korontana ato ho ato koa ry zareo. “Ny fijerinay azy: somary hanahirankirana kely izany amin’ity, fa mety ho mafimafy kokoa no ho ny korontana nisy hatramin’izay”, hoy izy. Angatahiny sy irariany ny tokony hanehoan’ny mpanao politika firaisankina, fa tsy hanao fitiavan-tena hanapotika indray ny tanindrazana. Tsy i Madagasikara irery no mandalo fahasahiranana amin’izao.
R. Nd.