“Tokony hojerena amin’izay ny hoe: tanterahina raha nampanantena zavatra ny vahoaka ny tena. Izay ny politika vaovao: tanterahina rehefa zavatra tenenina sy nampanantenaina”, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), sampana Mahajanga, Ramamonjisoa Régis, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao.
“Indraindray isika variana amin’ny hoe fampantenana”, hoy izy. Aza hadinoina fa samy nampanantena ny mpitondra nifandimby teto. Nataony ho ohatra amn’izany ny fampanantenana fiara 4L nataon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc; ny fampanantenana ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny telo volana nataon’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Izao, mbola iaraha-mahita izany…
Tsy ankianina amin’ny olona iray ny fampanantenana, fa samy nanao an’izany. Izany koa tsy midika hoe hifaninana amin’ny zava-dratsy hatrany isika, hifaninana hanome fampanantenana poakaty ny vahoaka isika. Fa ny vahoaka malagasy no mba mandinika izay tena zava-nitranga tamin’izany fotoana izany, izay nolalovan’ny firenena? Na maneran-tany izany, na ny teto Madagasikara.
R. Nd.