Hiverina hiasa, manomboka amin’ny herinandro ambony io ny eo anivon’ny HCC. Maromaro ireo asa sy vary mangatsiaka tsy mbola nankatoavin’izy ireo amin’ny lalàna nolanian’ireo parlemanta. Anisan’ny andrasana amin’ireo mpitsara etsy Ambohidahy ny fankatoavana na tsia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fitsarana ho an’ny fanjakana maorisianina sy i Madagasikara. Miankina amin’izany ny ho avin’ireo fanondranana an-tsokosoko volamena any ivelany. Anisan’izany ilay volamena milanja 25,5kg sarona tany amin’ity Nosy akaiky antsika ity ary mbola giazan-dry zareo Maorisianina hatramin’izao izany harem-pirenena izany.
Iandrasana ny fankatoavan’ny HCC koa ny fifanarahana findramam-bola miisa efatra, efa lany teny Tsimbazaza sy Anosikely. Manampy izany ny tokony hankatoavana ka handinihan’ireo mpitsara avo ny fehezan-dalàna mifehy ny fiahiana ara-pahasalamana, niainga avy amin’ny depiote Voninahitsy Jean Eugene. Eo koa ny fangatahana ny fahaleovantenan’ny oniversite sy ireo sampam-pianarana ambony miaraka aminy, natolotry ny depiote Rasoazananera Monique.
Etsy andaniny, iandrasana ny fandinihan’ireo mpitsara ny momba ny famatsiana herinaratra, niainga avy amin’ny governemanta.
Andrasana izany ny ho fanapahan-kevitry ny HCC amin’izao fiandohan’ny taona izao.
Synèse R.