Fitantanana ny faritra: mihozongozona ny sezan’ireo governora sasany

Ho avy indray ny tombana, hampihozongozona ny seza’ny sasany. Anisan’ireo horaisin’ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao ireo governoran’ny faritra. Maromaro amin’izy ireo no mety hisaorana aorian’ny fi­haonana sy ny tombana atao amin’ny asan’izy ireo. Anisan’ ny efa nahazo tsikera mivaivay sy nokianin’ireo depiote amin’ny distrika roa any Melaky ny governora any an-toerana. Na fomba fiasa io na resaka fitantanana. Notakin’izy ireo ny ha­nesorana amin’ny toerany ity mpitantana ny faritra ity.

Na ny mpanohitra na ny mpomba ny fitondrana

Teo koa ny governoran’i Bongolava. Nisavoritaka ny ben’ny Tanàna, miandany amin’ny Ragova sy ny solontenam-panjakana any an-toerana noho ny fomba fiasa sy fiahiahiana resaka kolikoly. Niaka-nidina taty an-dRenivohitra ny resaka ary niditra an-tsehatra hatramin’ny sendikan’ny fitantanan-draharaham-panjakana (Synad). Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny any amin’ny faritra Itasy. Tsy levon’ny vavonin’ny olomboafidy mpomba sy mpanohitra ny fitondrana ny fomba fitantanana sy ny paikady hampandrosoana an’iny faritra iny.

Tsy manana Ragova ny any Sava sy Alaotra…

Ankoatra izany, mbola banga ny toeran’ny governoran’ny faritra Sava sy Anosy rehefa notendrena ho mini­sitra i Tokely Justin sy i Hatre­findrazana Jerry. Tsy azo iho­divirana ny hanendrena ny hi­­solo ny toeran ‘izy ireo. Ta­haka izany koa ny any Alaotra Mangoro, rehefa noesorina ny aogositra tamin’ny taona lasa ny governora tany an-toerana.
Na izany aza anefa, misy ireo tena miasa sy azo refesina ny ezaka vitany sy ny fampandrosoany ny faritra iadidiany. Andrasana, araka izany, ny ho toromariky ny filoham-pirenena, omena azy ireo indray manomboka izao, ankoatra ny resaka fiatrehana ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: