Rajaonson Hugues : “Tsy afa-miala amin’ny fitakian’ ny Unicef ny fanjakana”

Nanaitra ny maro ny fitakian’ny Unicef ny hamerenana ny vola fanampiana izay nanaovana fandaniana tsy nifanarahana. Tsy afa-miala amin’izany ny fanjakana, raha ny fijerin’ny mpahaihary Rajaonson Hugues.

“Tsy afa-miala ny fan­jakana amin’ izao, na hoe ny mpitondra teo aloha aza no nampiasa azy. Satria rehefa manao famindram-pahefana dia tsy maintsy hita eo izay. Tratra ny taty aoriana izany, raha tsy nanao tsara ny famindram-pahefana, ohatra.” Io ny fanazavan’ny mpahaihary, Ra­jaon­son Hugues, momba ny fitakian’ny Unicef ny hamerenana ny vola 3 miliara Ar mahery izay famatsiam-bola nomen’ny Ta­hi­rim-bolan’ny Firenena Mi­kam­bana ho an’ny zaza (Uni­cef), teo anelanelan’ ny taona 2014-2019, nisy fandaniam-bola tsy nifanarahana natao araka ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly.
Mety hoe ny governemanta teo aloha no nandany ilay vola. Nefa tsy voasoratra tamin’ny famindram-pahefana izany, ny taty aoriana no lasa tomponandraikitra.Mila mitandrina hatrany ny tena rehefa hoe handray minisitera. Raha izay fandaniam-bola tsy nifanarahana izay nitranga, misy tsy fitandreman’ny minisitra vaovao izany. Tsy maitsy mamerina an’izay vola izay ny fanjakana: ny Banky foibe, ny Tahirimbolam-panjakana. Arakaraka ny fitakiana izay hoe haverina amin’ny vola vahiny ve, ohatra, ny vola satria izay no nitondrana azy teto sa haverina amin’ny vola malagasy?

Hahitsy ny tetibola raha tsy misy ny vola
Raha tsy manana vola ho­mena manokana ny fanjakana, tsy maintsy manao fanitsiana ny tetibolam-panjakana ka mankany amin’ny parlemanta indray, araka ny fanazavany. Manana fitsipika mazava ny fikambanana iraisam-pirenena. Raha misy vola natokana ho an’i Madagasikara, ohatra, dia arakaraka ny fifanarahana: omena avy hatrany ny minisitera ve, ohatra, ny vola dia manara-maso ry zareo sa mamoaka tsikelikely ny vola ry zareo araka izay filan’ny minisitera? Misy zavatra nataon’ny minisitera, ohatra, ary miandry ny taratasy ry zareo ny amin’izay nandaniana ny vola. Tany amin’izay tokony ho nalehany ve ny vola? Mety ho izay no mahatonga an-dry zareo manao fitakiana hoe: taiza avy no nandaniana ny vola?

R. Nd.

Partager sur: