Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny HVM any Frantsa, omaly. Niantso ny rehetra te hanamafy ny antoko izy ireo tamin’izany. “Ndao hiaraka aminay. Midira ho mpikambana raha manahy ny amin’ny hoavinao, ny hoavin’i Madagasikara, indrindra fa ny hoavin’ny taranaka ianao”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny fanambarana fa very hevitra manoloana ireo toe-javatra miseho ankehitriny, ara-politika, toe-karena , sosialy eto amin’ny firenena na eran-tany miteraka fahasahiranana lalim-paka isan’andro ny rehetra. Tsy tokony hanary toky fa mbola misy ny azo antenaina sy ny azo hatao.
Nanterin’ny HVM any Frantsa fa antoko politika manana drafitra maty paika, vina mijery lavitra novolavolaina mifanaraka amin’ny filan’ny maro an’isa ny antokon’izy ireo. Manana soatoavina izay mifototra amin’ny fampandrosoana ho an’ny daholobe, araka ny fanambarana hatrany. “Vina fisandratana azo tanterahina tsara ary tena mitondra fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy no entin’ny HVM ho an’ny firenena”, hoy ihany izy ireo.
Tsy vita irery ny fampandrosoana
Tsy manavakavaka ary misokatra ho an’ny rehetra ny antoko ka anasana ny rehetra ny fidirana ho mpikambana any amin’ny faritra misy ny tsirairay, araka ny fanambarana. Hifanome tanana isika ho amin’ny fampandrosoana hitondra an’i Madagasikara amin’ny tena fisandratany. “Tsy vitanay irery ny fampandrosoana fa vitantsika miaraka izany ka mila antsika ny firenena”, hoy izy ireo.
Synèse R.