“Raha manao fivoriana tsy ara-potoana, mbola volabe io. Hatramin’izao aloha, raha izaho manokana no anontanianareo: tsy mbola hahahaino aho… Ny amin’izay fangatahana fivoriana tsy ara-potoana izay io”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Antananarivo V, Raholdina Naivo, ny amin’ny resaka mandeha hoe hisy fangatahana ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana eny amin’ ny Antenimierampirenena.
Na ny Antenimierampirenena na ny governemanta no mangataka ny fanaovana fivoriana tsy ara-potoana. Tsy maintsy voafaritra koa izay hodinihina ao anatin’ny 12 andro. Teo nisy fivoriana ara-potoana lavabe: misy fotoana, tsy nisy fivoriana akory na vitsy ny tonga nivory fa zara raha nisy depiote 13 na 15 na 20. Maninona no tsy natao tamin’ny fivoriana ara-potoana lavabe izay kasaina hatao amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ireo izay mangataka an’izany?
Misy fotoana tsy misy atao ny depiote, fa ao amin’ny Cafétéria no mihainohaino. Iza ny depiote mangataka fivoriana tsy ara-potoana? Nefa nalalaka be ny fotoana teo tamin’ny fiandrasana ny lalàna mifehy ny tetibola. Raha ny governemanta no mangataka fivoriana tsy ara-potoana, izy no miantoka ny lany amin’izany.
Ho sahirana amin’ny vola ny Antenimierampirenena
“Raha milatsaka eo ny fivoriana tsy ara-potoana, sahirana amin’ny vola ny eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy izy. Tsara fantatry ny vahoaka fa rehefa marary, ohatra, ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ka miditra hopitaly, aloan’ny Antenimierampirenena ny saram-pitsaboana, ny fanafody… Tokony hisy antony ny fanaovana fivoriana tsy ara-potoana. Iaraha-mahalala fa misy ny tambin-karama rehefa mivory ny Antenimierampirenena. Tsy hanomezana tsiny ny vahoaka ny hoe mandany vola amin’ny fivoriana ny Antenimierampirenena.
R. Nd.